RSS Amplifier

Blog

Meah

Ministère de l'Eau, de l'Assainissement et de l'Hygiène

meah.gov.mgSource feed ↗10 posts

Live Last read · last published · next check

Latest posts

Tsimbazaza, 17 Novambra 2025: Tonga namaly ny antson’ny Antenimierampirenena ireo minisitra miisa enina

🔹Isany tonga namaly ny fampiantsoana azy teny anivon’ny Antenimierapirenena, ny 17 novambra 2025, ny Ministry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia. 🔹Fotoana iray izay nentina nanambarany fa anisan’ny fanamby faharoa ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny fampisitrahana Rano Fisotro Madio ho an’ny malagasy rehetra ary ny fananana tanana…

Fanorenanana ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana – faritra Anôsy sy Androy

Nijery sy nanara-maso ny fandrosoan’ny asa fanorenana ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (DREAH) ao amin’ny Faritra Anôsy sy Androy ny delegasionan’ny Minisitera izay tarihan-dRamatoa Minisitra, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia. Ity fotodrafitrasa ity dia iaraha-miasa amin’ny tetikasa MIONJO, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, ka…

Natolotra ny Trano Fidiovana Vaovao ao amin’ny Kaominina Amboasary Atsimo

Natolotr’i ramatoa Minisitra Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia tamin’ny fomba ofisialy ny trano fidiovana vaovao ho an’ny Kaominina Amboasary Atsimo. 𝐓𝐚𝐟𝐢𝐝𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐄𝐀𝐇, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanadiovana sy ny fidiovana, izany. Ity fotodrafitr’ asa ity dia natao hanatsarana ny fahadiovan’ny daholobe sy…

Fidinan’ny Minisitra tao amin’ny tobin-dranon’i JIRAMA Lanirano: Fanoloana fantsona 2 km

Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny tobim-pamokarana rano JIRAMA Lanirano Ramatoa Minisitra Dr RAZAFINDRIAINIANA Minosoa Anjaratiana Elia, niaraka tamin’ireo solotenam-panjakana, olom-boafidy ary olom-boatendry ao Taolagnaro. Nandritra izany dia noraisina an-tanana avy hatrany ny fitakiana momba ny tsy fahampian-drano, taorian’ny tatitra nataon’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Atoa…

Fampandehanana ny Pipeline Mandrare–Sampona : Nisongadina ny fidinana ifotony tao Anôsy

Nisongadina anio ny fidinana ifotony nataon-dRamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, tao amin’ny Faritra Anôsy, niaraka tamin’ny mpanolotsain’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, ary ireo olomboafidy sy olomboatendry ao an-toerana. Teboka lehibe tamin’ny hetsika ity dia ny fampandehanana ny pipeline Mandrare – Sampona,…

MEAH – Vondrona Eoropeana : Fampahafantarana sy Fanamafisana ny Fiaraha-miasa

Nandray an’i Andriamatoa Roland Kobia, Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara, Ramatoa Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ny 13 novembre 2025, tao Ambohijatovo Ambony. Izay isan’ireo mpiaramiombon’antoka iraisam-pirenena akaiky sy mavitrika indrindra amin’ny MEAH, tamin’ny fitsidihana nataony ara-pomba am-panajana.…

Ramatoa Minisitry ny Rano nanao ny Fanambaram-pananana teny amin’ny HCC miaraka amin’ny Governemanta

Androany 11 Novambra dia nanatanteraka ny fanambaram-pananana teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tetsy Ambohidahy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo. Nandray anjara tamin’izany ihany koa ny Ministry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa…

Collecteurs d’Eau de Pluie (CEP) vaovao ho an’ireo EPP – Fanatsarana ny fahazoan-drano

Tontosa ny 04, 05 ary 06 Novambra 2025 ny fandraisana ara-teknika sy vonjimaika ireo « Collecteurs d’Eau de Pluie » (CEP) ho an’ireo EPP Etrobeke, Amboropotsy, Antanamaeva, Bekako ary Mankara Vavy.Mpisitraka miisa 2934 no hahazo tombontsoa amin’ity fotodrafitrasa ity, ho fampiroboroboana ny fahazoan-drano madio sy ny fidiovana eny an-tsekoly ary ho fanatsarana ny toe-pahasalamana sy […] L’article…

Ny alahady 02 Novembra 2025…

Nanolotra amin’ny fomba ofisialy ny fitantanana ny AEP Analamahitsy Cité ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia. Tokantrano maherin’ny 100 no hisitraka izany. Ity fotodrafitrasa ity dia isan’ireo « forage de proximité » miisa 21 manerana an’i Antananarivo. Taorian’izay dia nitsidika ny […]…

Fahatapahan-drano tao Toamasina : Nitsidika ifotony sy nametraka vahaolana vonjy maika ny Minisitry ny Rano

Sabotsy 01.11.25 – Tapaka ny fefiloha Farafaty ny alakamisy alina, ka niteraka fahatapahan-drano teto Toamasina. Taorian’izany dia nidina ifotony nijery ny zava-misy Ramatoa Minisitra ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, niaraka tamin’ny Minisitra ny Mponina sy ny Firaisankina, ny solombavambahoaka, ny prefen’ny Toamasina ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.Nandritra io fidinana io…